Fankalazana 08 Martsa 2022 tao Manakara
Natomboka teto Manakara Faritra Fitovignany ny 05 Martsa 2022 ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny Vehivavy mitondra ny lohahevitra hoe : « Vehivavy mihavotse, miatrika sy mifanampy, taratry ny fitovianjo sy antoky ny fampandrosoana lovain-jafy ».
Naseho tamin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra notarihin’ny Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana niaraka tamin’ireo vehivavy teo amin’ny sehatra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana ny fanokafana. Nandray anjara tamin’izany ireo vehivavy ANMCC nampahafantatra ny andraikitry ny ANMCC, ireo fepetra fanitsiana ara-barotra ary fanentanana ireo mpizaika voakasik’izany.
Vehivavy DRICC manakara sy ny vehivavy ANMCC, niara-nankalaza ny andron’ny 08 martsa
|
|
|
ANMCC manentanana ireo vehivavy mpamokatra eto manakara |
|
Vehivavy mpamokatra eto manakara
|
Notohizana tamin’ny fambolen-kazo ny fankalazana ny 06 Martsa tao amin’ny kaominina Antsary izay notarihin-dRamatoa vadin’ny Filoham-pirenena sy Filoha mpanorina « ny fikambanana Fitia » Ramatoa Mialy Rajoelina niaraka tamin’ireo vehivavy sy fikambanam-behivavy eto Manakara ary ireo avy lavitra. Koa zanan-kazo maro no nambolena toy ny Colonia, bambou, coco, raphia, acacia, eucalyptus ary voankazo fihinam-boha.
|
|
|
Fambolen-kazo notarihin-dRamatoa Mialy RAJOELINA Kaominina antsary Manakara |
|
« VEHIVAVY MIHAVOTSE, MIATRIKA SY MIFANAMPY, TARATRY NY FITOVIANJO SY ANTOKY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY » |
Nofaranana tamin’ny fitsidihana trano hevan’ireo mpanao asa-tanana sy mpamokatra salan-tsalany teto an-toerana ny lanona ofisialy saingy maro ireo vehivavy teto Manakara no mbola nanohy tamin’ny alalan’ny asa-tanamaro ho fanadiovana sy fanarenana ny tanàna.
Fankalazana 08 Martsa 2022 tao Antsirabe
Tao Antsirabe ny fanamarihana ofisialy ny andron’ny 08 Martsa notarihin’ny vadin’ny Filoham-pirenena Ramatoa Mialy Rajoelina sy ny nisaoran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny herim-po ananan’ireo vehivavy miatrika ny adidy sy ny adraikitra sahanin’izy ireo.
|
|
|
Nampahery ny vehivavy ANMCC Ramatoa Mialy RAJOELINA eo amin’ny andraikitra hiantsorohan’izy ireo |
|
« Vehivavy ANMCC miaro ny mpamokatra malagasy » |
Tamin’ny alalan’ireo hetsika maro isan-karazany fampirantiana ireo vokatra sy asa-tanana, fampahafantarana ireo andraikitra sahanin’ny sampan-draharaham-panjakana sy ireo tsy miankina isan-tsokajiny no nanomboana izany ny 07 Martsa 2022 ary nofaranana tamin’ny dia-be nanomboka teo amin’ny Fitaleavam-paritry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy ka nifarana teo amin’ny kianja manaram-penitra ny 08 Martsa ny hetsika fankalazana notontosain’ireo solon-tenan’ny fikambanam-behivavy manerana ny faritra 23 eto Madagasikara.
Nametraka hafatra ho an’ny vehivavy ny Reny mpiahy : « manana anjara amin’ny fahombiazana ny olona rehetra, ao anatin-tsika rehetra dia misy hazavana tsy tokony ho takonan’ny hafa »
Izao hetsika izao dia mifanindran-dalana amin’ny fanatanterahana ny velirano faha valon’ny Filohan’ny Repoblika izay manipika ny fandraisan’anjara fenon’ireo vehivavy amin’ny « Emergence de Madagascar ».
Communication ANMCC